<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>L.M. Lindeman</author>
<hymn_number>409</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 « Ry zaza mpiodina,
 mba miverena ! »
 Antsoin'ny Ray ;
 Isika hamaly am-po
 tsy terena :
 « Indreto izahay
 Miaiky fa ratsy
 Maratran'ny rafy ;
 Sitrano izahay,
 Fa simba ny toetranay. »

[V2]
 « Indrisy, nanota
 ka mendrika ho faty
 Sy very izahay !
 Ny razanay dia nanompo ny
 maty
 Ka narahinay.
 Ry Ray ô, jereo
 Ka dia vonjeo,
 Mba ho zanakao
 Izahay mitanondrika izao »

[V3]
 « Sitraniko ny
 fihemoranareo,
 Ry zanako ô !
 Tsy ampanjomboniko
 aminareo
 Ny tavako koa. »
 Izany irinay
 Ho re ao am-ponay,
 Fa Ray Hianao
 Mampionona ny olonao.</lyrics>
<title>Ry zaza mpiodina, mba miverena FFPM409</title>
</song>